Madagascar

Ilay mpamindra sy mpitatitra ny entanao eto antoerana sy makany ivelany

 

Ny mombamomba ny orin’asa

A.TESSIOT Déménagements Madagascar dia naorina mba hamaly ny tolotra manokana eto an-toerana.Ity karazan’asa ity dia manamora ny fifindran’ny Olona sy ny orin’asa.

Efa 7 taona izay no niorenan ‘ny A.Tessiot déménagements teto antananarivo Renivohitra .Nanatsara hatrany ny traikefanay izahay ary dia tafiditra sy nahita ny  toeranay eo amin’ny lafiny famindrana entana, ny fifaneraserana  amin’ny faditseranana sy ny  fitanterana  eran’i  Madagasikara.

Aminy  alalan’ny tamba-zotra maro anananay dia afaka manome toro-hevitra sy vaha-olana lalandava izahay amin’izay fisehoan-javatra rehetra mety hitranga amin’ny fifindranao.Apetraho am-pelatanan’ny olona manana traikefa ny fifindran-toerana izay ataonao satria mavesa-danja sy mariky  ny dingana vaovao amin’ny fiainanao izany fifindran-toerana ho ataonao izany .

Ny tolotra :

  • Ny fifindra-monina eto an-toerana
  • Ny fikarakarana ny entana hatrany aminy fahatongavana farany
  • Ny famindrana birao isan-karazany
  • Ny famindrana orin’asa
  • Ny fifindramonina miala ny madagascar mandeha any ivelany (metropole et international)
  • Ny fifindra-monina miala ny madagasikara mandeha any amin’ny Nosy  rahavavy(la reunion, mayotte)
  • Ny fivarotana fitaovana famonosana entana
  • Ny fanofana trano fametrahana entana na amin’ny fotoana fohy  na amin’ny fotoana maharitra

Déménagements Madagascar

Déménagements Madagascar

Ny fifindra-monina eto an-toerana :

Tamatave ,mananara, antseranana  sns…

Tsy andoavam-bola fa maimaim-poana ny fikarakaranay  ny tolotra momba ny fifindrana ary afaka mandeha amin’ny faritra rehetra eto madagasikara izahay . vonona hatrany ny ekipanay hanome fahafam-po anao amin’izay asa izay ampiandraiketinao azy.

Ny fifindra-monina any ivelany :

Ny masoivoho : la réunion, mayotte, la metropole

Ny tamba-zotra DEMECO : DOM-TOM,Beljika,Repobilika tcheque,Pologne,hongrie,israel sy Roumanie.Ny antoka DEMECO dia manome toky fa hanome fahafaham-po anao tanteraka avy eto am-piaingana ka hatrany am-pahatongavana.

Ny toerana hafa : manana tamba-zotra saika maneran-tany izahay.ny mpiara-miasa aminay amin’izany dia vofantina araka ny kalitao mifandraika amin’ny fomba fiasan’ny DEMECO.Noho izany  dia afaka mitondra sy manatitra  ny entanao na aiza na aiza, avy amin’ny  alalan’io tamba-zotra DEMECO io izahay. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny toerana izay hiantsorohanay ianao dia aza misalasala manantona ny masoivoho.

Toro-hevitra samihafa :

Langues parlées :

  • Malagasy
  • Frantsay
  • Anglisy

Fitaterana : camions 5

Mpiasa raikitra : 8

Trano fametrahana entana :100m2

Adiresy

A. TESSIOT Déménagements Madagascar

BP 1530

lot IVF  14 Ter Ambodihady Ambohimanarina

Route Digue

ANTANANARIVO

Mail : secretariat[@]a-tessiot.com

Afficher A. TESSIOT Déménagements Madagascar sur une carte plus grande